Confience en soi
HANAFATRA KELY ANAREO MPANARAKA NY PAGE AHO
"Confiance en soi"
Raha ampianatra ihany dia ampianaro ny olona ho lasa olombelona sy olombanona ka hiaina sy ho sambatra tsara amin'ny fiainany.
Ampianaro ny olona ho salama sy hanana fanazaram - batana tomombana tsara.
Ampianaro ny zanakao ny "Valeur" fa ny "Prix" no ampianarina azy.
Ampianaro ny zanakao sy ny manodidina anao hoe tsy ny vola ihany no harena. Misy anie manambola be dia be mihitsy fa tsy sambatra e! Mijaly be!
Indrisy anefa misy olona mahantra satria vola ihany no mba hananany.
Ampianaro ny tenanao ny méditation, ampianaro ny tenanao ny manova ny toetranao, fomba fisainanao, fihetsem - ponao dia hiova ny fiainanao.
Te hiteny anao aho hoe diso fanantenana ianao raha mieritreritra hoe rehefa azonao daholo izay irianao dia ho sambatra aminn'izay ianao.
Raha vitanao ny miaina sahady ilay valim - bavakao na ny fanirianao na mbola tsy nitranga aza ilay izy dia tanteraka aminao io fanirianao io. Satria izay no mahasambatra anao fa tsy hoe rehefa azonao daholo izay irianao.
Tsisy nanjary daholo ny vavaka nataonao? Tsisy nivaly?
Manombok'izao dia tsy mila miandry valim - bavaka intsony fa miaina sahady ny valim - bavaka satria efa tanteraka iny.
Ary ny hariva dia tsy mila manome tsiny sy ny sisa intsony fa mankasitraka no atao. Ny fankasitrahana dia fambara fa efa tanteraka ilay fanirianao.
Manombok'eo dia feno tanteraka ianao ary misintona fahafenoana amin'ny fiainanao ary ho feno ny banga rehetra amin'ny fiainanao. Ok?
Hanampy hanao hamakafaka mahakasika ny Loi d'attraction sy izay fanontaniana tao aminao rehetra ny boky nosorarako :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME".
Matokisa anao ianao, matokisa ilay "Intelligence Supérieur" nampisy anao fa eo foana izy ary ao anatinao amin'ny fotoana rehetra sy ny fotoana rehetra Izy.
Mino aho fa vitanao io! Maka anao aho!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire