Signe 10 manambara fa tsy mahatoky tena ny olona iray
SIGNES 10 MANAMBARA FA TSY MAHATOKY TENA NY OLONA IRAY
Amin'ity erinandro ity dia ny fahatokisan - tena no ho velabelarintsika tahaka ny mahazatra.
Publication efa tany aloha tany ihany ity fa averiko kely mba hanombohantsika azy tsara.
Lasa toy ny kilema sy aretina ny tsy fahatokisan-tena raha miseho matetika.(manque de confiance en soi)
1) Ny fampitahanao ny tenanao amin'ny hafa:
Ny olona rehetra somary efa nanao an'izay daholo angamba. Io ilay fomba fijerin'ny hafa azy no ahafahany mamantatra ny maha izy azy.
Ny olana nefa dia lasa miteraka fanahiana lava sy fitaitainana, ary mety hampidi-trosa mihitsy aza.
Very ny fahatokisan-tena raha mibanjina amin'ny fijerin'ny manodidina anao ianao.
2) Miala tsiny foana amin'izay mitranga eo:
Lasa mody manao tsara fanahy sy mahalala fomba be ery.
Manao azafady foana na ilay olona aza no diso satria matahotra. Matahotra sao tsy tian'ilay olona, sao dia tsy ho namanay eo, sao dia irery eo.
3) Ilay mieritreritra foana hoe tsy mba mendrika ahy io zavatra tsara io:
Rehefa misy zavatra tsara tonga dia manontany tena hoe inona loatra no nataoko dia nisitraka ity aho?
Ny miantehatra amin'ny anjara sy vintana dia midika fiatsarambelatsihy sy fandaingana amin'ny tena ihany.
4) Lasa maka endrik'olona sy fomba fiainan'ny olona ka na ny tenany àry tsy ny tenany akory:
Ao anatin'ny olona tsy mahatoky ny momba azy dia mamorona toetra sy fomba fiaina tsy azy izy.
Diniho fa rehefa miresaka izy dia manaiky foana sady miteny "eny" foana na tsisy azony aza.
Matahotra ny hitana andraikitra ngeza be.
Tahotry ny ahafantaran'ny olona ny tena izy aminy no anaovany izany.
5) Mila maka toky foana isaky ny mietsika sady mila tsarain 'ny hafa:
Mifantoka amin'ny olona eny ivelany ary manontany foana hoe :efa mba mety ve? Efa mba nahay ve aho?
Eny na amin'ny sehatry ny Fitiavana aza dia: tena tinao marina ve aho? Fa nahoana no izaho izay tahak'izao no tinao?
Lasa mitady porofom-pitiavana faran'izay aingana.
Mora tezitra be ary mamorona ady mba ho tsikaritra.
Manadonto ny tenany ary miteny hoe :izay izaho ve...
6) Te ho tonga lafatra foana:
Rehefa mahatsapa fa tsy tomombana dia lasa mamorona ny tsy misy ary tsisy fiafarany. Ohatra hoe mahatsapa fa tsy ao tsara izany hetim-bolo izany fa tsisy hanintonana olona mihitsy, tsy manana diplaoma mba ahazoana io toetrana io, tsy mbola vonona ny ho tafita fa mangatak'andro.
Tsy mba miaina ny anio mihitsy fa lasa entin'ny rediredy foana ny fiainany.
7) Mora kivy sy tsy mahatapa-kevitra mihitsy:
Matahotra ny tsy hahavita zavatra ary matahotra ny hanao lesoka. Lasa midika tsy fahaizana miatrika zava - baovao.
Ny olona mihabo dia mora aminy ny misintona fahasambarana. Tsy voatery ho tsara safidy fa tsara zavatra atao.
8) Be baraingo sy mitady tambiny sy vokatsoa manokana foana:
Inona no entina? Inona no atao any? Misy vola ve aloha? Dia inona no ataoko? Inona no teneniko mba tsy ho tezitra amiko izy? Tena menatra azy aho?
Lasa miteraka fiasan-tsaina miompampana. Tsy mba hanaiky fiovana mihitsy fa te hitazona ny fomba fijerin'ny olona azy foana.
9) Manohitra foana:
Vao tsy miteny akory ianao dia ny hanohitra ilay hevitra no ao an-tsainy voalohany. Matahotra ny ho tsaratsarain'ny olona, efa hainy fa diso kanefa dia tsy hamelany iny fa ahitany hevitra foana.
10) Mamboatra fomba famindra na fijoro, fiteny:
Raha ny psikolojia dia mandinika ny toetran'ny olona iray amin'ny fihetsiny.
Ohatra hoe ny olona mipetraka daholo dia izy mitsangana.
Na koa lasa manao manova fomba fandehan'ny tongotra, fomba fiteny somary atao jiolamboto na mianatra ny fitenin'ny olona.
Hanampy be anao ny fanaovana sport, ny fanaovana méditation, ary manasa anao hamaky ny boky nosoratako :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" fa tena hanampy anao izany. Efa nanampy olona mihoatra ny 500 mahery sahady nefa vao 2 volana latsaka no nampisy azy. Tongava message privé raha mila azy ianao.
Vitanao io! Izaho maka anao!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire