Deception

DÉCEPTION - DISO FANANTENANA Maro be ny endriko isehoan'ny fahadisoam - panantenana. Mety noho ny ara - bola, arak'asa, ara - pinamanana, ara - piarahamonina, ara - pitiavana. Tokony ho fantatrao manombok'androany fa afaka ny ho tafita sy sambatra mihoatra lavitra indray ianao manoloana an'io fahadisoam - panantenana io. Tadidio fa tsy fahombiazana sy échec fotsiny ihany io fahadisoam - panantenana io fa tsy zava - doza amin'atambo akory. Mila manokana fotoana ianao hoe manana tanjona sy nofinofy be dia be kay ianao. Vao maika àry hanamafy ny finiavanao sy hahatonganao amin'ny tanjonao izao tranga mahazo anao izao fa tsy arak'ilay noeritreretinao fotsiny. Misy lanjany be io fahadisoam - panantenana io. Tena manampy anao izy hoe goavana anie ny tanjonao rehefa ilay ianao osa sy ambany moraly iny. Tsy diso fanantenana be tahak'izao ianao raha tsy tena manandanja be aminao io tanjonao io. Hitanao fa manampy anao izy! Tena manana valeur be kay ianao e? Tena tsara anie ianao e! Tahaka ny manosika anao hiova amina zavatra tsaratsara kokoa foana io fahadisoam - panantenana io na tsy arak'ilay noeritreretinao aza ilay tranga niseho. Ny fanarahanao ny page eto fotsiny dia efa fanairana ho anao hoe mpandresy kay ianao. Afaka mamaky sy manjifa ny boky nosoratako :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" ihany koa ianao satria nanampy olona tena maro be io boky io. Tadidio fa tsy midika ho faratsian'ny fiainanao ny zavatra ratsy mitranga aminao. Mahazo lesona, miha mahay miha mahay zavatra foana anie ianao e! "Le cerveau apprend avec les erreurs". Tena olona goavana ianao. Nandalo échec ianao ary dia manampy anao handeha lavitra be izany. Tiavo ny tenanao ary diovy ny fonao dia esory izay fakofako rehetra tsy hahavitanao zavatra ao. Mila hery ianao dia aza mandany hery amin'ny zavatra tsy mety. Mafy ianao! Ndao ange e! Vitanao io! Izaho maka anao! #Manambina_Ranjalahy

Commentaires