Efa ampijaliana vao may mifikitra ihany

EFA AMPIJALIANA VAO MAIKA MIFIKITRA IHANY Ity sujet iray ity dia mbola mitarika mankany amin'ny dépression foana ary lasa misy voka - dratsiny tahak'izao. ✍️Efa omeny teny marary mbola miraikitra aminy ihany, efa fosafosainy sy ataony resaka etsy sy eroa mbola eo ihany, efa andefasany message tsinontsinona mbola tsy miala ihany, ampifalifaliana mbola tsy hanaiky ihany. Ny ankamaroan'ny olona mety efa nandalo teo daholo saingy misy ary efa betsaka ny tafavoaka soa aman-tsara. Fa inona loatra àry no mahatonga an'izany? Fa olona manao ahoana no tena tratrany? Inona no tena antony? Ety am-piandohana dia manasa anao sahady hamaky ny ranty atramin'ny farany. ✍️Io fifikirana be io dia miseho amin'ny sehatra rehetra mihitsy. Rehefa tinao loatra izany ampijaliana izany dia lasa olona Masochiste ianao. Lasa olona mahita tsirony amin'ny marary sy fangirifiriana. Izany hoe tinao mihitsy anie ilay nitomany e! Mahafinaritra anao mihitsy ilay tsy omena haja. Na mila hiala atramin'ny ainao aza dia mifikitra ihany e! Rehefa tsy tinao kosa dia ialao tsy misy hatak'andro ary aza be sentiment be eo. ✍️Sehatry ny Fitiavana ohatra dia mahagaga fa ilay bandy mampijaly azy ihany no tena tiany. Misy lehilahy iray tena tia azy eo fa ilay efa manao izay mampinan'ny fatiny azy no tena tsy foiny. Tahak'izany koa, ilay bandy efa ampifilafilan'ilay vehivavy sy hiavonavonany nefa mbola ataony manofy azy ihany. Fa nahoana loatra àry? Tena tian'ny olona ary aleony miaritra amin'ny olona manao tsinontsinona azy. Otran'ireny hoe tratran'ny Ody fitia ireny, tahaka ny hoe marary saina ireny mihitsy rehefa jerena ety ivelany. Ny tena marina misy fifikirana ao ary misy désir profond ka mila vonoina izany. ✍️Eo amin'ny samy mpinamana dia efa miatsaravelatsihy tahaky ny inona ary efa mandrangitra tahaka ny inona ilay olona nefa ianao mbola tsy mahafoy azy ihany. Efa mahazo esoeson-teny sy fosa fa mbola io ihany e! Ary lasa mitranga tampoka ilay manipulation ohatra. Isaky ny ariva ianao mieritreritra ny tsy hiresaka aminy intsony nefa tonga ny maraina dia iny ianao fa tsara resaka ianareo. Ny tena marina mbola tena ao anatin'ny Zone de confort be mihitsy ianao amin'ny matoa tratran'izany satria tsy te hitady sy hiresaka amina namana vaovao mihitsy fa izy ihany. HAFATRA : Mila miala amin'izany karazana Programmation tsy mitondra fandrosoana izany ianao. Rehefa tsy tinao ilay olona dia hatsaharo ny fanononana ny anarany. "Tsy tiako intsony Y e! Tsy iresaka aminy intsony aho e! Sns". Tsy tinao izy koa mbola averimberinao ihany ny anarany e! Rehefa miverimberina matetika ny teny dia miraikitra ao amin'ny amparahatoka dia aza gaga raha ataon'ny souvenirs mijaly mihitsy e! Ataony miverina miantso azy indray dia ataony miandry ny message - ny indray. ✍️Jereo ange isika Gasy e! Efa ataon'ny sasany mahita mihitsy fa olon'ny fo loatra dia mora rebirebena. Izany rehefa miseho matetika dia tratran'ny atao hoe Sydrôme de Stockholm ianao. Azo entina amin'ny sanga ary azo anaovana manipulation tsara mihitsy. Ianaran'ny olona milalao mihitsy ny saina. Ef tolorana maloto am-bava fa tsy miala izany e! Ao tsara ve? ✍️Ka manomboka androany dia ialao izany. Miala amin'ny Zone de confort na ny fomba fanao mahazatra tsy mitondra fandrosoana. Mitadiava namana vaovao, mitadiava zavatra vaovao atao foana, manaova fialam-boly vaovao. Rehefa manao zavatra vaovao ianao dia manova singa ao amin'ny Neurones nao izany ary lasa miha maranin-tsaina ianao. Mila mianatra Développement personnel ihany koa mba tsy ho tratran'ny influence diso noho ny fiaraha-monina sy ny Fiangonana sasany. Olona capable ianao ary Andriamanitra(Esprit Supérieur) manampy izay miezaka mafy. Rehefa manidy varavarana Andriamanitra tadidio dia manokatra varavarana vaovao foana Andriamanitra. Ary rehefa misy aloka mandrahona anao dia tsy lavitr'iny aloka iny ny hazavana. Capable ianao ary décision sy motivation dia vita io! Eeee! Tandremo fa tsy mila valifaty izany fa ny tenanao ihany no fahavalonao voalohany. Ianao ihany no ho potika ka ampobo entina dia ampio kotrana (sport) mafy be mba ho tsemboka sy hahay hifehy ny fihetsem-po. Ialao ny dépression, manaova Méditation, manasa anao hamaky ny boky nosoratako :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME. Vitanao io! Izaho maka anao! Tahian'Andriamanitra! #Manambina_Ranjalahy

Commentaires