Fapitomboina aingana ny fatokisantena
FAMPITOMBOANA AINGANA NY FAHATOKISAN-TENA
Miala tsikelikely amin'ny tahotra mba hampitombo ny fahatokisan-tena; erinandro iresahana mahakasika ny fahatokisan - tena isika izao.
Izay tsy mety miala amin'ny toerana mahazatra azy dia matahotra ny hafa. Ireo olona manana fahatokisan-tena mafy be dia nianatra niaina tao anatin'ny tahotra.
Mila tsy marefo amina tranga na zavatra mampatahotra anao intsony ianao.
Ataovy anaty lisitra mihitsy ny tahotrao, ataovy amin'ilay tena mampatahotra anao indrindra mihitsy aloha. Ary zarao roa :izay mampatahotra anao sy izay tsy dia tena mampatahotra anao.
Rehefa vita izay!
Miady amin'io tahotrao io ianao ary fantaro ny tena sakana sy ny fomba hialanao aminy.
1) Raiketo izay tanjona kely azo tratrarina fa tena mampitombo fahatokisan-tena io :
Ny ankamaroan'ny fomba ampiasaina amin'ny fampivoarana ny voa maha olona dia manainga anao hanofy sy hanatratra tanjona ngeza be, mba hifantohanao amina tanjona ambony.
Marina sy mahomby izany rehetra izany... saingy tsia, raha ambany ny tahan'ny fahatokisan-tena anananao.
Mila manonofy, ary aza menatra ny manonofy.
2) Manaova zavatra vaovao be aminao :
Rehefa miala amin'ny fomba fanao mahazatra, dia mila mieritreritra ny hanao zavatra vaovao tsy fanao. Rehefa manao izany ianao dia misy varavarana kely be dia be misokatra omen'ny fiainana ho anao.
Rehefa ilay fanao mahazatra foana manko no atao ka tsy mifanaraka amin'ilay tanjona tokony ho izy no tratra dia lasa mandiso fanantenana. Mandehandeha amina toerana mbola tsy naleha, manaova fiherem-panahy raha mbola tsy nanao mihitsy, ampianaro mijery zavatra tsara ny maso e!
3) Manaova fifandraisana vaovao:
Ny fifandraisana vaovao mbola tsy fahita dia mitondra amina traikefa vaovao ihany koa. Lasa misy laza-hadina vaovao indray rehefa miresaka, fandraisana vaovao, fomba fijery vaovao, hevitra tsy mbola fahita na voateny.
Isika rehetra dia samy manana traikefam-piainana samy hafa sy ady samy hafa, ary samy manana lalam-piainana samy hafa mahafinaritra azo tantaraina tsara mihitsy.
Lasa misy lesona azonao tsoahina amin'ny fiainany ohatra.
Misokafà amina kolon - tsaina vaovao, hevitra vaovao. Lasa hivoaka amin'ilay fomba fisainana mandeha ho azy iny ianao izay hitantsika amina olona efa hita isan'andro amina toerana efa mahazatra.
4) Ampiharo ny tsy fiankinan-doha mba hampitombo ny fahatokisan-tena :
Rehefa hitrandraka zava - baovao ianao mba hahazo tombony amin'ny fahatokisan-tena, dia ezaho atao irery. Ekeko hoe milamina tsara rehefa eo ilay namana saingy hainao fa tsy haharitra mandrakizay eo izy dia tsy hahavita n'inona n'inona eo ianao.
Ny fijanonana amin'ny fomba fanao mahazatra dia miteraka tahotra.
5) Ankafizo isan-kariva na isak'izay mampety azy ny fahatsiarovana mihabo :
Rehefa mahatsapa an'iny ianao dia lasa misy fahasambarana ao anatinao izay manosika anao hanatratra ilay tanjona.
6) Farany : misintona rivotra amin'ny orona dia avoaka moramora amin'ny vava :
Tena matotra io ary mampitombo ny fahatokisan-tena. Rehefa miasa saina dia ataovy io. In-telo!
Afaka manao fiherem-panahy (méditation) ianao ary mihaino mozika milanto...
Mbola afaka manjifa ny boky nosoratako ihany koa ianao. "LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME."
Vitanao io! Izaho maka anao!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire