Fomba fisainan'ny olona tsy tafavoaka eo @ fiainana

FOMBA FISAINAN'NY OLONA TSY TAFAVOAKA AMIN'NY ATAONY. 1) Tonga dia manontany ny lafi - ratsiny aloha izy. Ary ratsy aloha no mibahana ao an-tsainy voalohany. Oh:misy fihaonana resaka voyage. Dia hoy izy :izany ve dia azo itokiana? Tsy atahorana accidenté ve? 2) Ny vola no tenenin'ny vavany voalohany. Oh:hiaraka mba hijerijery tanana ianareo dia miteny izy hoe :misy vola ve aloha? Fisainana tena ratsy izany. "Les riches ne travaillent pas pour l'argent." 3) Raha misy proposition omena azy dia mitady olana foana izy fa tsy mifantoka amin'ny vahaolana. Mahita problème amin'ny solution foana. Oh:misy tolotr'asa na vahaolana omenao azy dia hoy izy :sao sanatria e, tsy hainao anie e! Efa omenao solution izy fa ny problème ihany no raisiny. 4) Mangatak'andro foana ny dia zavatra tokony ho vita androany aza. (procrastination) 5) Marary aina vao mahita ny fandrosoan'ny hafa. Ireo mieritreritra fa avara-pianarana sy manana certificat manokana ka manao tsinontsinona ny Don ny hafa. Tsy hoe nianatra manokana momba ny ara-panahy tany Inde ianao dia ianao no tena enjana. 6) Tsy manaiky fiovana, raha te handroso dia mila manaiky fiovana fa tsy mahasoa anao ary misy tsara be mbola azo antenaina any matoa tsy tanteraka iny. 7) Manao an-dolompo be ary mora mandray zavatra ratsy ny sofiny. Mpandray atendrony loatra ary mora tezitra. Izy ihany no mahazo tezitra ary te hatahoran'ny olona. Tsy manaiky diso mihitsy ary izy indray no tezitra mialoha raha nanao fahadisoana satria miaro tena. Ianao indray no endrasiny hifona sy hahatsapa fahadisoana raha izy no nanao izany. Miovaova loatra :mbetika tezitra, mbetika faly, aveo milonjolonjo tampoka. Manambany tena :izahay anie ratsy e, mainty e, ianareo manana ko! (Complèxe et pervers narcissique) Rehefa tsy mino ianareo dia diniho fa misy karazan 'olona tahak'izany eny amin'ny fiaraha-monina eny. Lazaiko anao fa misy olona any tena mpanarakarena, tafita fa tsy mahita fahasambarana amin'ny fiainana. Satria mety ranona poirot no azony hanina,satria misy aretina mitaiza. Raha samy ho faty ihany dia aleo mba sambatra ry zareo a! Ary rehefa mahatsapa tena fa manana toetra ratsy ianao dia afaka miova tsikelikely. Manasa anao àry hanjifa ny boky nosoratako: "LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" Vitanao io! Izaho maka anao! Tahian'Andriamanitra! #Manambina_Ranjalahy

Commentaires