FOMBA TSOTRA MBA HATOKISANAO TENA

FOMBA TSOTRA MBA HATOKISANAO TENA 1) Mandehana aingana rehefa eny an - dalana, lasa mampavitrika anao izany ary lasa mahatsapa ianao hoe manan-danja ny fotoana. Tsy hoe mihazakazaka lava fa mila mavitrika na dynamique. 2) Karakarao ny endrika ivelany, akanjo madio foana anaovana, manaova madio foana n'inona n'inona mitranga, jereo mihitsy ny fitaratra hoe ao tsara ve ianao. 3) Esory ny fihetsika manelingelina ary manaova mihaja amin'ny resaka fihetsika. 15 isan-jaton'ny teninao ihany no mandeha rehefa miteny ianao fa ny fihetsika ihany koa dia miteny. 4) Fadio manomboka androany ny manao hoe :mba mety ihany ve izao, mba tsara ihany ve, mba marina ve! Lasa marefo ianao ary lasa ny fijerin'ny hafa no itondranao ny fiainanao satria tsy ampy fahatokisan-tena ianao. 5) Mahitsý tsara rehefa miresaka ary ataovy aorina tsara mihitsy ny soroka, jereo tsara amin'ny masony mihitsy ny olona rehefa miresaka. 6) Manomanà zavatra kely tantaraina amin'ny hafa mba hanesorana ny henatra. Ary lasa manatsara ny fifandraisanao amin'ny hafa izany, ary lasa hainao mihitsy ny mandanjalanja ny resaka sy mijery ny teboka rehetra. ATAOVY FAHAZARANA IZANY ARY IRETO MISY FIKA MBA HAMPILAMINA NY AO ANATINAO. Betsaka ny olona mahatsiaro menatra rehefa manao azafady, midika hono izany fa tsy manana hazon-damosina ianao. Diso izany ary tsotra ny fahatsapana ny fahadisoana. Afaka mamela heloka tsara mihitsy fa ny mifandray be dia atsahatra amin'izay. "Tsy midika hoe manaiky ny fahadisoanao aho satria nandratra ahy ianao fa tsy te ho gadran'ny lasa aho, ary misy zavatra tsara miandry ahy amin'ny ho avy. Izany hoe tsy ilaiko ny fahatsapanan-tenanao, ary tsy mila miandry izany aho. Tsy anananao fahefana intsony aho sy ny ataoko. " Tsisy Fankahalana resin 'ny Fankahalana izany. Tsy ampaninona ilay olona mihitsy raha tsy hamela ny helony ianao, fa ianao no tapaka lalan-dra sy hilonjolonjo lalandava eo. Inona moa izany fa lasa sarotra aminao ny miaina, tsy afaka ny handroso amin'ity lolom-po be tsy hita hoe makaiza ity. Ary hijaly dia hijaly foana ianao rehefa manao zavatra. Io tompoko no tena amanatarana ny maha izy azy sy ny lanjan'ny olona. Olona manana fanahy avo lenta no mahavita izany. Adinoy any daholo zareo dia miovà zavatra atao mihitsy e! Vitanao io! Izaho maka anao! Matoky ny finoanao aho! Ny any aloha hitranga mbola goavana lavitra noho ny lasa tany aloha. "Izay mahafehy izao tontolo izao goavana, fa izay mahafehy ny tenany goavana lavitra. " Rehefa tia ny tenanao ianao dia lasa matoky tena. Manasa anao hamaky hanjifa ny boky nosoratako. "LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" fa hanampy anao feno izy, amin'ny resaka méditation, fihetsem - po, tokantrano sy ny sisa. Vitanao io! Izaho maka anao! Tahian'Andriamanitra! #Manambina_Ranjalahy

Commentaires