Iza no azo itokisana?
MAHATOKY NY TENANAO VE IANAO? IZA NO AZO ITOKISANA?
Iza? Iza àry ilay tena azo itokiana? Iza no azo ametrahana ny fitiavana? Misy ve ilay tiako sady tia ahy? Misy ny ny namana e!
Toa na zavatra tsisy dikany àry ny olona mora mivadika. Misy tombotsoa manokana foana ve vao afaka ny ifanakaiky ny fo.
Ny teniko aminao voakasika :
Aza mora mahatoky loatra e! Efa be izay ratra sy sedra izay ka mbola tsy ho tonga saina ve! Azonao angamba ny tiako ampitaina satria tsy ianao irery no olona mifanerasera aminy. Tena mino 100 % ve ianao fa...
Karakarao sy hamafiso tsara aloha ny tenananao.
Nefa aza adino fa mbola ho avy ny manetsa be. Mbola hisy fanilo hafa indray, mbola hisy hazavana vaovao mihitsy ho tonga. Isika anie rehefa nahita ady, ka indrindra hoe efa zatra niady irery dia misy foana ny tsy ampoizina tsara omanin'ny fiainana amin'ny fotoana tena azo antoka. Mbola ho avy re ny andro a! Aza manahy ary ho hitanao kely aoriana ao rehefa tonga amin'ny tanjonao ianao.
Ataovy izay mahafalifaly ny fo sy mampahiratra ny saina. Fa tsy olona iray na tranga kely iny dia eritreretina ho olana be ka iny no animbana ny nofinofy tsara, sy ny toetra tsara anananao. Mety hoy ianao hoe :"tsy aminao ny toerana sns... "
Nefa tsarovy fa matoa ny fiainana mandà zavatra iray dia misy tsara kokoa homaniny ho anao ao. Mahazo mahatoky ianao ka; ny Intelligence Supérieur anie hanatanteraka izany. Ndao hanjifa ny boky :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME"; boky nosorarako àry!
Vitanao io! Izaho maka anao! Tahian'Andriamanitra!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire