Iza tokoa ary isika?
IZA TOKOA ÀRY ISIKA?
Vatana miaina fotsiny eto amin'ity tany ity dia miandry izay ho anjara sy efa anjara hatrany ampiterahana ve? Vatana mivezivezy dia mitady ary miaina eto amin'ity tontolo materialy ity ve?
Taloha, teo alohaloha kely teo dia nandeha foana ny hoe :"Qui suis - je?" na "Iza marina ary aho?" Manao inona eto aho? Fa nahoana aho no gasy sy ny sisa? Fa nahoana aho no tsy tahak'izao sy ohatr'izao ny tarehiko? Nahoana no tsy olona tonga dia nanankarena aho? Iza aho ity e?
Ao andohantsika foana ireo fanontaniana ireo. Ary nolazaina fa tsy takatry ny saina. Ankehitriny nefa dia doute ary fiahiahiana no nentin'izy ireo tamiko; saingy tsy nihonona tamin'ireo fanontaniana ireo ny tenako fa nikaroka sy nanao "mis à jour". Tsy nanova n'inona na inona tamin'ny fiainako ireo fanontaniana ireo fa varavarana iray nahafahako niova fotsiny ihany. Varavarana nahafahako namantatra ny tenako angamba.
Amin'izao fotoana izao dia tsapako fa tsy "Iza àry aho?" intsony. Ankehitriny ny fanontaniana mipetraka dia tokony hoe :"Te ho iza aho?" na "Je veux devenir qui?"
Teo no nanoratako ny boky "LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" mba entiko manampy ny olona hamantatra ny fiainany sy hahatongavany amin'ilay fiainana tena tiany tokoa ka hiaina ny fiainany tsara amin'izay izy. Rehefa tena miaina ny fiainanao ianao dia sambatra ka ho tonga amin'ny tanjonao sy ny fahasambaranao feno.
Ankehitriny dia tongava amin'ilay tena ianao satria tsy manam - panataperana ny hery lehibe ao amin'ny amparahatokao.
Amin'izao dia tsy te hahalala intsony ny olona fa ny mahaliana azy dia ny hoe:"Atao ahoana àry?" Amin'ny fomba ahoana amin'izay àry?
Izany no mahatonga antsika mianatra méditation foana satria isika dia tsy vatana miaina amin'ity fiainana ity fotsiny. Fa isika dia "Conscience" saingy mampiasa ity vatana ity amin'ny endrika maro samy hafa mba hahafahantsika maneho azy ny tena maha izy azy antsika. Tsy materialy isika tompoko! Satria raha esorina ireo fahatsapana dimy ananantsika: maso(fijery), orona(fofona), sofina(feo), lela(tsiro), oditra(fahatsapana hafanana sy ny sisa) dia tsy afaka mifandray amin'izao tontolo eto an - tany izao intsony isika.
Raha esorina aminao ireo dia inona sisa no mijanona? "CONSCIENCE" sisa. Fanahy hoy ny gasy, io ilay tena ianao, ilay ianao mahatsiaro io.
Raha hainao ny mampiasa tsara an'io CONSCIENCE io dia mivaha ny olanao tsy mbola takatry ny sainao hatrizay.
Fanontaniana maro be no tinao hapetraka fa...
Tohizana amin'ny manaraka...
Mandrosoa hasina!
Vitanao io! Izaho maka anao!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire