Miha hainao amizay ny fiainana
MIHA HAINAO AMIN'IZAY ARY MIHA FANATRAO NY FIAINANA
Tsy voatery hoe rehefa eo izy dia ho mandry fahalemana (en sécurité, en paix) foana ny fiainanao. Fa matoa misy zavatra na olona noesirin'Andriamanitra taminao dia hiarovana anao izany ary mba hanananao tsara kokoa fa ianao tsy tonga saina fotsiny.
Manomboka ekenao amin'izay ny erreur sy ny échec nataonao mba hampandroso anao. Ekenao amin'ny maha olon-dehibe anao fa tsy ataonao alahelon-jaza fotsiny.
Hianaranao ny manorina ny tokontaninao ankehitriny, satria mbola tsy hay ny tokotanin'ny ampitso ary tsy mbola fanatra mihitsy izay fiovan-tsaina avoakany.
Ny olona mafy dia izay nandalo sedra mafy.
Tadidio koa hoe, hiaina ny fiainanao ve ianao sa hiaina ny fiainan'ny hafa no ataonao eto? Tandremo sao ianao tompon'ny fiainanao indray no tsy sambatra.
Tsy mitovy ny fiainana, tsy mitovy ny fomba fanehoam-pitiavana, ary izay mahazo an'ny zareo tsy voatery hahazo anareo ka tandremo ny namana mpilaza loza sy pessimiste foana.
Vitanao io! Izaho maka anao! Tahian'Andriamanitra!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire