Ndao fa tena hanova ny fiainanao ity ranty ity
NDAO FA TENA HANOVA NY FIAINANAO ITY RANTY ITY
Samy manana ny famaritany azy ny tsirairay, ny kolontsaina, arakaraka ny toerana naha lehibe ihany koa. "Andriamanitra dia Fiainana"!
Ny fiantsoako Azy dia Intelligence Supérieur.
Mizara roa nefa ny fiainana na ny conscience.
1) Voalohany ilay ianao sy ny conscience anao, izany hoe ao anatinao. Ilay ianao, ilay safidinao, ilay ianao miaina, izany hoe fiainana mihitsy ihany koa ianao. Miaina ianao! Fiainana ianao!
Ireto no mamaritra an'ilay tena ianao.
Ny fomba fisainanao, ny toetranao, ary ny fihetsem - ponao.
Raha te hanova ilay tena ianao aloha ianao dia mila ovainao ireo zavatra telo notanisaiko ireo.
2) Faharoa dia ilay fiainanao. Ilay conscience mijery anao foana. Io ilay mamaly anao amin'ny fotoana rehetra na aiza na aiza. Tsy mamaly ny vavakao io, tsy mamaly ny fanirianao io, tsy mamaly izay mampangetaheta anao io. Fa "Ilay ianao" no valiany.
Izany hoe: ny fomba fisainanao, toetranao ary ny fihetsem - ponao.
Hanontany anao aho? Mana ahoana ny fomba fisainanao? Ny toetranao? ny fihetsem - ponao?
Ovay ireo raha te hanova ny fiainanao ianao satria ny fiainana efa mijanona ho fiainana fa ia nao sisa no andrasiny.
Misaina io fiainanao io, misaina ihany koa ianao ary mifanaraka foana ireo roa ireo.
Fiainana ianao, fianana ianareo, Andriamanitra dia Fiainana.
Io ilay hoe sady "conscience personnelle et Universelle"
Misy amin'ny fotoana rehetra sy hita amin'ny toerana rehetra na aiza na aiza.
Ho tanteraka aminao anie izay tsara tena tinao!
Raha maniry ny hiditra lalina ianao dia afaka manjifa ny boky nosoratako ihany koa: "LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME"
Rehefa milamina ianao, rehefa tojo amin'ilay tena ianao ianao dia tena miaina ny fiainanao tokoa. Ary ho sambatra sy ho faly ianao!
Hiaino ange e! Dia ataovy fa ho lasa ambony be ny "confiance en soi" anao ary dia tsy ahatotra intsony ianao fa hahavita zavatra goavana be.
Vitanao io! Izaho maka anao!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire