Ny depression sy ny ho avinao
NY DÉPRESSION SY NY HOAVIANAO
Omaly isika niresaka ny dépression sy ny lasa. Androany, ndao resahana ny mahakasika ny dépression sy ny hoavy.
Izany ho maro no tratran'ny dépression satria miahiahy be loatra ny hoaviny izy.
Maka sary an - tsaina ny hoavy ratsiny izy noho ny lasa ratsiny tany aloa tany.
Izany hoe nisy zavatra ratsy sy alahelo niainany taloha tany dia lasa miahiahy loatra ny hoaviny izy, sao ho lasa tahak'izao sy izao any aoriana any. Gejain'ny lasany izy dia lasa mieritreritra zavatra ratsy nefa ilay tranga aza mbola tsy tanteraka akory.
Tsy mahavita n'inona n'inona fa dia miaina anaty fiahiahiana sy tahotra ary maminavina zavatra ratsy ao an - tsainy.
Ny olana nefa dia ho simba tokoa ny hoaviny raha tsy malaky tonga saina sy miala amin'ny rarintsaina (stress) izy. Ny zavatra ataony ankehitriny amin'io tsisy manjary avokoa noho izany tahotra amin'ny zavatra ho avy izany. Ilay izy amin'io mbola tsy mitranga nefa dia hiainan'ny vatany sahady. Hany ka na ny hitsangana sy hanao zavatra aza tsy vitan'ny vatany intsony satria toa anaty arerahana be tsy hay hoe ahoana izany.
Mila averinao eto amin'ny ankehitriny ny vatanao fa lasa miaina ny hoavy ratsiny izy noho ny lasa nahazo anao.
Baikoy toy ny biby mihitsy io vatana io. Aza avela anao izay tiany izy fa mipetraha dia manaova méditation, mamakia boky "LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" nosoratako, ataovy miaina ny ankehitriny tsikelikely ny saina sy ny vatana. Avereno eto amin'ny ankehitriny fa eto no hahafahana mamaha olana be dia be.
Manana anjara asa lehibe ny méditation. Manaova activé sportive kely, mila misotro rano tsara fa tsy zavatra hafa no sotroina, ahena ny écran, manaova karazana excursion na picnic miaraka amin'izay olona tinao, sakafo mahasalama hoanina, olona manana vina sy tsy manome fahasorenana iresahana, mankafiza masoandro mody sy tanana mahafinaritra. Hovay ny fahazarana e!
Vitanao io! Izaho maka anao!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire