Ny depression sy ny lasa

NY DÉPRESSION SY NY LASA Mbola anaty fizarana momba nh dépression foana isika. Ny ankamaroan'ny olona dia noho ny lasany no nitarika azy ho tonga amin'ny dépression. Rehefa tonga eo izy dia ireto no mety hitranga. Vao mifoha maraina izy dia ny lasa no miditra ao an - tsainy voalohany. Hijery finday izy, hisotra café, ho any amin'ny wc, ... izy dia ny fahatsiarovana sy ny olon'ny lasa no mibahana ao an - dohany. Lasa tsy mavitrika sy tsy mahavita n'inona n'inona intsony. Iny no iainany mandritry ny tontolo andro eny. Lasa potika sy ratsy ihany koa ny fihetsem - pony. Miaina fihetsem - po ratsy lalandava izy ary isaky ny misaina sy mahatsiaro dia lasa leo ny tenany sy te hamono tena foana nefa tsy mahavita. Handroso maty raibe, miemotra maty renibe. Tsy hitany izay atao fa toy ny teren'ny fiainana hiaina fotsiny izy sisa. Alohan'ny hatory izy dia mbola mameny ny vatany foana ny lasany. Matory kely dia mifoha, aveo mifoha tsy mahita tory dia tahak'izany foana. Lasa tsy mahatoky olona intsony ary mora mankahala olona, mora kizintina be, mora mitaintaina be, vao tsy nahavita zavatra kely na tsy nahatanteraka zavatra dia mahatsiro tena toy ny nisy nanozona. Indraindray dia lasa mivazavaza olona ary kivy ny hivoaka ny trano. Tsy mahatoky intsony izy hoe mety hahavita zavatra fa dia matahotra sy manambany ny tenany. Izany zavatra izany no anisan'ny vokatry nyfitehizirana ny lasa izay tsy misy ilaina azy intsony. Izany no nanoratako ny boky voalohany:"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" teny malagasy mba ho zaraiko aminareo sy nentiko nanazava ny fomba nialako tamin'ny dépression satria dia tao anatiny ny tenako. Efa misy io boky io ary efa nanampy olona aman'arivony sahady izy izao. Raha ny momba azy dia midira mihitsy message privé. Ny tsy tokony atao ambanin - javatra dia ny fanaovana méditation mifantoka amin'ny fo foana hoy isika. Vao maraina amin'ny 4h 30 iny na ariva alohan'ny hatory ny fanaovako ny ahy. Mety daholo fa io no ora nosafidiko satria tomombana tsara ny atidoha eo. Telopolo minitra mihoatra aloha ny ahy fa ny anareo afaka atomboka 15 min eo. Mbola misy fampiharana tsara ihany koa anatin'io boky io. Izany hoe afantoka amin'ny fo ny saina dia miaina ny nofinofy sahady. Faharoa dia ny esorina daholo izay eritreretra momba ny lasa fa tena tsisy ilaina an'izany na kely aza. Diovy ny fo dia hafaho amin'ny gejan'ny lasa sy ny fankahalana olona ny vatan fa tena mandany hery be izany. Vitanao izany ka! Tapaho ny hevitra dia hamboleo ny toetra vaovao, manomboha miaina fihetsem - po vaovao, voleo fomba fisainana vaovao dia hiova ianao ary hiova ny fiainanao. Mila manana safidy vaovao dia misy zava - baovao ihany koa eo. Farany, aza avela hitsidika ny lasa mihitsy ange ny sainao mandritry ny 3 andro aloa e! Dia ho hitanao fa misy zavatra be dia be miova eo. Rehefa vitanao ny 3 andro dia tohizana tohizana ihany izany hery vaovao tsapanao izany fa ho gaga ianao ary ho tafavoaka amin'ny ataonao rehetra ianao. Vitanao io! Izaho maka anao! #Manambina_Ranjalahy

Commentaires