Pensée suicidaire...
PENSÉE SUICIDAIRE - LEO TANTERAKA FA TE HAMONO TENA
Tsy vitsy ireo olona tena hiharan'ny zavatra mafy be amin'ny fiainany izao. Tena anaty lavaka tanteraka, vaky loha, tena vola entina miady kely dia kely, ny olana mitombo, ny vady manao ny ataony, ny rafozana tsy hay intsony, tsisy fiainana, ny fiaraha - monina iray trano mampiferonaina daholo, ny manodidina sy ny namana tsy misy hita fa mitsipaka daholo. "Resy!!! Te ho faty aho!!!"
Te hiteny anao aho izao hoe marina izany! Eo ny olona atao hoe "victime" ny fiainana izy. Manaraka sy manaiky izay ataon'ny fiainana azy eo fotsiny dia miaritra ary manantena hoe indray andro any mbola hamiratra.
Eo ihany koa ny olona dia tsy mahatoky tena intsony, tsy mahavita n'inona n'inona intsony, vao maika mitombo ny trosa mivaro - pananana, lasa te hanaonao foana be.
Na lahy na vavy dia latsaka ranomaso ary vaky loha mihitsy.
Izany indrindra no nanoratako ny boky :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME". Sy namoronako ity pejy ity izay hitantaraiko sy hanazavaiko ny olona mpanaraka ny fomba nahatafavoahako tanatin'izany hantsana be izany. Afaka manjifa ny boky ianao fa hanampy be anao izy. Olona maro be mihitsy no efa nisitraka azy.
Izao àry! Ataovy an - tsaina ity teniko ity:
"Tant qu'il y a de vie, il y a toujours de l'espoir."
Tena misy azo antenaina foana ary amin'ilay ianao tampina tanteraka iny no misy varavarana be misokatra amin'ny fiainanao.
Ity kosa aloha dia hamafisiko. Mila mampiakatra hery amin'ny fo ianao. Mila manao méditation mifantoka amin'ny fo.
Esory daholo izay fakofako sy lolompo amina olona sy zavatra rehetra. Tena esory fa mandany hery be dia be tsy tambo isaina izany ary mampitohana ny zavatra ataonao rehetra, manakana ny fahasambaranao rehetra.
Diovy ny fo ary tena manaova asa ngeza be ho an'ny tenanao mihitsy hanala ny ratsy rehetra ao. Manomboka izao dia tsy ny olona, tsy tontolo ivelany, tsy tranga mahazo anao, tsy manodidina anao intsony no olana fa ianao no mila travail.
Rehefa tonga amin'ny fonao ny hery dia ho hitanao fa voavaha io olana tsy mbola takatry ny sainao hatrizay io!
Hitohy...
Vitanao io! Izaho maka anao!
#Manambina_Ranjalahy
Mankasitraka e
RépondreSupprimer