Sourire depressif

SOURIRE DÉPRESSIF Hainao moa hoe misy olona tena mitsikitsiky lalandava sy miramirana nefa anaty état de dépression. Lasa manana fomba fanehoana toetra tahak'izao. Nefa!!! Afaka ialana tsara izany. Misy aloha na tenenina hoe 3+1=4 dia 5 foana no avaliny satria efa noferana angamba ny atidohany. Tsy manaiky diso mihitsy ary mpanararaotra. Tsy menatra mihitsy miteny hoe "kamo aho", fa rehefa misy ilaina sy mahafalifaly azy ihany vao namanao izy. Tandremo ny namana mpitsetsitra, tsy mahalala afatsy ny miaraka handany izay anananao fa rehefa zavatra tena ilaina dia tsy eo izy. Tena manana ny atao hoe complèxe (inferiorité na superiorité) satria tsy mahay mihaino fa miteny foana, mitanisa ny lasa sy manome tsiny olona foana, tena mahaliana azy raha handinika toetran'olona tsy mifanaraka amin'ny sainy; lasa tsisy lanjany intsony ny heviny fa efa zatra mivanitinintika sy mihaniahany ary tsy matotra foana. Mbetika eo falifaly ary mbetika eo indray milonjolonjo nefa vao teo ohatra no niara - niresaka. Lunatique no fiantso ny olona falifaly dia tezitra tampoka tahak'izany. Ny endriky ny dépression dia miseho amin'ny fomba maro samy hafa ka izao dia mila manefy toetra, mandanjalanja fihetsem - po ary mamboly fomba fisainana vaovao. Isaorana ny Intelligence Supérieur nanome fiainana sy sedra mba ahatsapana tsara ny tsiron'ny fiainana rehefa tratra soa aman-tsara ny tanjona. Soa ihany koa fa teo ny méditation sy ny fampianarana maro mba entina miatrika an'izany. Tandremo ny olona pessimiste na négative. Ary tazomy sy fikiro ny toe - tsaina mihabo (positive). Averiko ihany, afaka mamaky ny boky nosoratako :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME" ianao. Vitanao io! Izaho maka anao! #Manambina_Ranjalahy

Commentaires