Tsisy tara loatra izany
TSISY TARA LOATRA IZANY
Amin'ny ankapobeny ny fiainana tsisy tara loatra tokoa.
Inona no antony? Mbola misy ny ampitso ; ny ampitso izay feno ankamatatra sy mistery. Ny ampitso izay tsy mampiomana firy fa mifono zava-miafina.
1) Misy ilay antsoina hoe "Seconde chance". Ny rehetra dia omen'ny fiainana "Seconde chance" daholo raha sanatria solafaka.
Misy ny atao hoe "plan B" raha tsy nahomby ny "plan A". Ary tsisy maharitra izany eto an-tany na io olanao io aza. Ny hitranga dia tsy arak'izay eritreretinao akory matetika. Na lavo im-pito aza miarina foana.
2) Manome kotrana ny sy hery ho anao ny fiainana.
Nefa tadidio fa dien'ny mbola azo atao dia aleo aloha mikiry. Fa ny saina amam-panahy vonona amin'izany mitranga eo. Trandraho ny ao anatinao, fantaro ny tenanao ary jereo izay mahasoa anao.
3) Izay mahasoa sy maharitra fa tsy izay mahafalifaly foana.
Rehefa mety anie ny atao afaka atao izay mahafinaritra e!
4) Mivavaha, fa hafa ihany izany tontolo andro ankinina am-bavaka izany na ny fisehony aza.
Manaova méditation ary mahaiza mihaino fa tsy hiteny foana. Manjary sanatria tsy asian'ny olona lanja intsony ny hevitrao.
5) Rehefa misy tantara iray mifarana dia tadidio fa misy tantara iray vao miatomboka indray.
Rehefa manidy varavarana iray ny Fiainana dia manokatra hafa vaovao foana.
Manasa anao ihany koa ny tenako hanjifa ny boky :"LA NOUVELLE VERSION DE TOI MÊME". Boky nosoratako izy io. Mankatelina!
Vitanao io! Izaho maka anao!
#Manambina_Ranjalahy
Commentaires
Enregistrer un commentaire