Articles

Confience en soi

HANAFATRA KELY ANAREO MPANARAKA NY PAGE AHO "Confiance en soi" Raha ampianatra ihany dia ampianaro ny olona ho lasa olombelona sy olombanona ka hiaina sy ho sambatra tsara amin'ny fiainany. Ampianaro ny olona ho salama sy hanana fanazaram - batana tomombana tsara. Ampianaro ny zanakao ny "Valeur" fa ny "Prix" no ampianarina azy. Ampianaro ny zanakao sy ny manodidina anao hoe tsy ny vola ihany no harena. Misy anie manambola be dia be mihitsy fa tsy sambatra e! Mijaly be! Indrisy anefa misy olona mahantra satria vola ihany no mba hananany. Ampianaro ny tenanao ny méditation, ampianaro ny tenanao ny manova ny toetranao, fomba fisainanao, fihetsem - ponao dia hiova ny fiainanao. Te hiteny anao aho hoe diso fanantenana ianao raha mieritreritra hoe rehefa azonao daholo izay irianao dia ho sambatra aminn'izay ianao. Raha vitanao ny miaina sahady ilay valim - bavakao na ny fanirianao na mbola tsy nitranga aza ilay izy dia tanteraka aminao io fanir...

Signe 10 manambara fa tsy mahatoky tena ny olona iray

SIGNES 10 MANAMBARA FA TSY MAHATOKY TENA NY OLONA IRAY Amin'ity erinandro ity dia ny fahatokisan - tena no ho velabelarintsika tahaka ny mahazatra. Publication efa tany aloha tany ihany ity fa averiko kely mba hanombohantsika azy tsara. Lasa toy ny kilema sy aretina ny tsy fahatokisan-tena raha miseho matetika.(manque de confiance en soi) 1) Ny fampitahanao ny tenanao amin'ny hafa: Ny olona rehetra somary efa nanao an'izay daholo angamba. Io ilay fomba fijerin'ny hafa azy no ahafahany mamantatra ny maha izy azy. Ny olana nefa dia lasa miteraka fanahiana lava sy fitaitainana, ary mety hampidi-trosa mihitsy aza. Very ny fahatokisan-tena raha mibanjina amin'ny fijerin'ny manodidina anao ianao. 2) Miala tsiny foana amin'izay mitranga eo: Lasa mody manao tsara fanahy sy mahalala fomba be ery. Manao azafady foana na ilay olona aza no diso satria matahotra. Matahotra sao tsy tian'ilay olona, sao dia tsy ho namanay eo, sao dia irery eo. 3) Ilay...

Deception

DÉCEPTION - DISO FANANTENANA Maro be ny endriko isehoan'ny fahadisoam - panantenana. Mety noho ny ara - bola, arak'asa, ara - pinamanana, ara - piarahamonina, ara - pitiavana. Tokony ho fantatrao manombok'androany fa afaka ny ho tafita sy sambatra mihoatra lavitra indray ianao manoloana an'io fahadisoam - panantenana io. Tadidio fa tsy fahombiazana sy échec fotsiny ihany io fahadisoam - panantenana io fa tsy zava - doza amin'atambo akory. Mila manokana fotoana ianao hoe manana tanjona sy nofinofy be dia be kay ianao. Vao maika àry hanamafy ny finiavanao sy hahatonganao amin'ny tanjonao izao tranga mahazo anao izao fa tsy arak'ilay noeritreretinao fotsiny. Misy lanjany be io fahadisoam - panantenana io. Tena manampy anao izy hoe goavana anie ny tanjonao rehefa ilay ianao osa sy ambany moraly iny. Tsy diso fanantenana be tahak'izao ianao raha tsy tena manandanja be aminao io tanjonao io. Hitanao fa manampy anao izy! Tena manana valeur be kay ianao e...

Sourire depressif

SOURIRE DÉPRESSIF Hainao moa hoe misy olona tena mitsikitsiky lalandava sy miramirana nefa anaty état de dépression. Lasa manana fomba fanehoana toetra tahak'izao. Nefa!!! Afaka ialana tsara izany. Misy aloha na tenenina hoe 3+1=4 dia 5 foana no avaliny satria efa noferana angamba ny atidohany. Tsy manaiky diso mihitsy ary mpanararaotra. Tsy menatra mihitsy miteny hoe "kamo aho", fa rehefa misy ilaina sy mahafalifaly azy ihany vao namanao izy. Tandremo ny namana mpitsetsitra, tsy mahalala afatsy ny miaraka handany izay anananao fa rehefa zavatra tena ilaina dia tsy eo izy. Tena manana ny atao hoe complèxe (inferiorité na superiorité) satria tsy mahay mihaino fa miteny foana, mitanisa ny lasa sy manome tsiny olona foana, tena mahaliana azy raha handinika toetran'olona tsy mifanaraka amin'ny sainy; lasa tsisy lanjany intsony ny heviny fa efa zatra mivanitinintika sy mihaniahany ary tsy matotra foana. Mbetika eo falifaly ary mbetika eo indray milonjolonjo n...

Efa ampijaliana vao may mifikitra ihany

EFA AMPIJALIANA VAO MAIKA MIFIKITRA IHANY Ity sujet iray ity dia mbola mitarika mankany amin'ny dépression foana ary lasa misy voka - dratsiny tahak'izao. ✍️Efa omeny teny marary mbola miraikitra aminy ihany, efa fosafosainy sy ataony resaka etsy sy eroa mbola eo ihany, efa andefasany message tsinontsinona mbola tsy miala ihany, ampifalifaliana mbola tsy hanaiky ihany. Ny ankamaroan'ny olona mety efa nandalo teo daholo saingy misy ary efa betsaka ny tafavoaka soa aman-tsara. Fa inona loatra àry no mahatonga an'izany? Fa olona manao ahoana no tena tratrany? Inona no tena antony? Ety am-piandohana dia manasa anao sahady hamaky ny ranty atramin'ny farany. ✍️Io fifikirana be io dia miseho amin'ny sehatra rehetra mihitsy. Rehefa tinao loatra izany ampijaliana izany dia lasa olona Masochiste ianao. Lasa olona mahita tsirony amin'ny marary sy fangirifiriana. Izany hoe tinao mihitsy anie ilay nitomany e! Mahafinaritra anao mihitsy ilay tsy omena haja. Na mi...

Ny depression sy ny ho avinao

NY DÉPRESSION SY NY HOAVIANAO Omaly isika niresaka ny dépression sy ny lasa. Androany, ndao resahana ny mahakasika ny dépression sy ny hoavy. Izany ho maro no tratran'ny dépression satria miahiahy be loatra ny hoaviny izy. Maka sary an - tsaina ny hoavy ratsiny izy noho ny lasa ratsiny tany aloa tany. Izany hoe nisy zavatra ratsy sy alahelo niainany taloha tany dia lasa miahiahy loatra ny hoaviny izy, sao ho lasa tahak'izao sy izao any aoriana any. Gejain'ny lasany izy dia lasa mieritreritra zavatra ratsy nefa ilay tranga aza mbola tsy tanteraka akory. Tsy mahavita n'inona n'inona fa dia miaina anaty fiahiahiana sy tahotra ary maminavina zavatra ratsy ao an - tsainy. Ny olana nefa dia ho simba tokoa ny hoaviny raha tsy malaky tonga saina sy miala amin'ny rarintsaina (stress) izy. Ny zavatra ataony ankehitriny amin'io tsisy manjary avokoa noho izany tahotra amin'ny zavatra ho avy izany. Ilay izy amin'io mbola tsy mitranga nefa dia hiainan'ny...

Ny depression sy ny lasa

NY DÉPRESSION SY NY LASA Mbola anaty fizarana momba nh dépression foana isika. Ny ankamaroan'ny olona dia noho ny lasany no nitarika azy ho tonga amin'ny dépression. Rehefa tonga eo izy dia ireto no mety hitranga. Vao mifoha maraina izy dia ny lasa no miditra ao an - tsainy voalohany. Hijery finday izy, hisotra café, ho any amin'ny wc, ... izy dia ny fahatsiarovana sy ny olon'ny lasa no mibahana ao an - dohany. Lasa tsy mavitrika sy tsy mahavita n'inona n'inona intsony. Iny no iainany mandritry ny tontolo andro eny. Lasa potika sy ratsy ihany koa ny fihetsem - pony. Miaina fihetsem - po ratsy lalandava izy ary isaky ny misaina sy mahatsiaro dia lasa leo ny tenany sy te hamono tena foana nefa tsy mahavita. Handroso maty raibe, miemotra maty renibe. Tsy hitany izay atao fa toy ny teren'ny fiainana hiaina fotsiny izy sisa. Alohan'ny hatory izy dia mbola mameny ny vatany foana ny lasany. Matory kely dia mifoha, aveo mifoha tsy mahita tory dia tahak'...